NY FITIAVANTSIKA ROA (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjarako ianao, voatokana ho ahy
Raha eo anilanao aho, tsisy mampanahy
Fa feno toky loatra, hipok'hafaliana
Ka zary foana ho azy ireny fahoriana

Irony ranomaso miady hamangivangy
Niova tsiky mamy noho ny tambitamby
Izay mety halahelo mitady hiseratserana
Nitony ka nisolo hehy, tena fanaperana

Inona ary no antony hoy aho manontany
Inona no hery nahatonga izany?
Tsy hery miafin'io toy ny herin'ny majika
Fa herin'ny fitia zay ao anatitsika

Ny fitiavako anao no manafoana ny tomany
Ny fitiavanao ahy no mampitraka mampijoro
Ny fitiavantsika roa no nanova ndray ny tany
Ka nampitsimok'aina vao tsy ho kila tsy ho toro

Atolotro ho anao io fitiavako io
Raisiko tokoa ny fitiavanao madio
Hifanaraka ary isika ka hifanindra an-dalana
Ry tokako, ry tiako, nekeko mba ho namana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3810 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 10/02/2009 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122