Ra-malagasy (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy Ra_Malagasy
Toa zary Mangasihasy
Mahita zato fahantrana
Tsy misy fiafarana

Raha mba ny faniriany mantsy
Ny ho tafita atsy ho atsy
Sarotra anefa izany
Ao anatin'izato Tomany

Andriamanitra tsy manary
Ka ny malagasy tsisy harary
Ho salama tsara daholo
Velombolo ny tena manontolo

Mihezaka ny hitraka
kanefa dia ketraka
Fa tsy mahita mangirana
Izay atao manahirana

Mino anefa Ra-Malagasy
Fa mbola tsy hisy tasy
Ny fiainany hibaliaka
Ny endriny ho sariaka

Ny kibo ho feno sakafo
Tahaka ny vady manafosafo
Ny taranaka ho soa
Ny fiainana lafatra tokoa
--------
Rohy:
1583 1
Mpakafy: Lepetitbeau
Hevitra mandeha
soari25 ( 04/08/2005 13:42)
Tena tsara fa tohizo e!
tia2005 ( 01/09/2005 11:54)
tsy kivy ka! na mazana tahakan'inona aza ê! izao no tena fampisehona ny fahatokisana fa misy mpiahy isika ê! aza akiviana izy ry joh â!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 04/08/2005 13:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146