Ratram-pitia (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako ato anaty, izany fidoboky ny foko
Te hilaza hoe aiza re ianao ry tiako
Fa mirehitra ny fitiavako mitady anao
Ianao ianao izay lasa tsy tana fa nandao

Mitomany izy ankehitry fa tsy hitany ianao
Mivezivezy hatraiza hatraiza mitady anao
Mitady ho vaky ny fo, rotsaka tomany
Mitraka hatrany anefa raha mbola eto an-tany

Adala tokoa angamba rehefa tia o!
Mirediredy milaza izatsy sy izaroa
Avoaka avokoa izay ao am-po
Fa ny alahelo mantsy tsy mahasoa

Any ho any anefa inoako fa mbola misy tia
Amin'izay de hihiratra ny fanantenana
Ho sitrana ilay ratram-pitia
Ny Fiainana ho tsara, ho feno fahasambarana
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA - Alahelo
4679 2
Mpakafy: Lepetitbeau - tia2005
Hevitra mandeha
tia2005 ( 01/08/2005 09:03)
tsara tokoa ilay izy ary manome hery ilay nanoratra fa mety toa anao ko izy any fa tsy mifankahita fotsiny ianareo.
tia2005 ( 01/08/2005 09:23)
Joh mahay zavatra enao zany an! fa saingy tena malahelo b fona ilay izy matetika fa tsara ka!
soacool ( 01/08/2005 15:30)
Fa inona koa ary no mba nahatonga anao nadefa nanoratra an'io tonon-kalo io, Tsara aloha e manome fanantenana ny kivy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 01/08/2005 07:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141