Lambo sy vitsika (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Hanao ahoana ianao ? izy efa main' ny afo natsangany !"

Aza ketrina, mitady voina !
Ity tantara ity, ange, henoina :
Tao amoron' ala, ndray hariva,
Tamin' ny harongana ivaiva :
Nisy tranom-biby - vitsikambo !
Ary raha nandalo teo ny lambo,
Dia nahita : faly, nanantena,
Toy ny saka manimbolo hena !
Ravo koa ny zanany eo afara.
(Tsy mba lainga izany fa tantara !)
Dia nodoniny itsy hazokely -
Raraka ny vitsika ! namely !
Renilambo mianakavy : tototra !
Taitra ! nefa ny natao no fototra !
Rifatra ny zanany, tsy hita !
Be no folaka, nahazo sita !
Renilambo tetsy nisafoaka,
Feno ratra ! Lasa koa nitsoaka !

Nefa ange, ahoana, ray vahoaka ?
Moa tsy izany 'reo mpisotro toaka ?
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fananarana - fiainana
1183 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098