Zaza tsisy tsiny (JOHARY J)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandiniha sy mitandrema
isika Ray aman-dreny
fa ny Zaza tsisy tsiny

Omeo ny Zon'izy ireo
fa tsy kapoka tsy akory
fa mila tambitamby

Koa tantano raha miampita
tohano raha mianjera
toroy raha tsy mahay

Fa ny Zaza tsisy tsiny
hatrizay sy ankehitriny
ny lehibe raha mba misaina
dia mihaino 'reo taraina
fa tsy kapoka tsy akory
no takalom-pahendrena
fa ny lehibe no tia tena
tsy nahatsiaro fahazazana
mangon'ireo hadalana
toa zary aloka miserana
ka nanadino ny fahiny
satria lehibe ankehitriny
dia mandrara sy mibedy
'reto Zaza tsisy tsiny
--------
Rohy:
1639 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098