Amin'izany (joseclaudio)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'zany
Amin'ny andro izay itenenan'ny moana,
Sy jamba izay hahiratra!
Amin'ny andro iletehan'ny masoandro any atsinanana.
Amin'ny fotoana iverenan'ny ora iray hitorona...
Dia hoy aho hoe:
Tonga ny tamberina fa miverina ny didy.
Ka isika indray no mpiasan'ireo zavaboahary.
Ka hotakiany aminao ireo taratra natolony,
hanazava amin'izay ny alina.
Angatahany avokoa ny rivotra rehetra,
Hampiaina ireo razana.
Dia hotakiany ihany koa ny trosan'ity tany nosimbana tsy amin'antony.
Dia io ianao fa hiasa saina sady koa hiady mafy
Fa hanonitra ny hataky ny tontolo.
Moa ve mety ho voasolo?
... Amin'zany andro izany ianao hitomany ,
fa tsy hisy ranomaso.
Amin'izany andro izany ianao hiferin'aina,
fa tsy hisy halahelo.
Amin'izany andro izay hitorona ny tany,
ka hitsangana ny maty .
Ary hanenjika anareo nanota ny nofadiny.
Amin'izany ianao vao hivavaka
Fa efa tsy misy Andriamanitra.

Joseclaudio_ 6 janoary 2016 ( Ny kalokaloko).
--------
Rohy:
973 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joseclaudio
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 12/01/2016 08:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01