You are here: home > Vetso

HIAINGA KOA NY AINGAKO - joseclaudio

HIAINGA KOA NY AINGAKO

Miatomboka ity ny fahanginan'ny tany.
Natelin'ny rahona ilay mpanazava.
Ka tonga ilay fitsaharan'ny vatako lany,
Sy drodroka ny andro tsy nety nisava.

Rendrika ao anaty fahanginana .
Ity izy mitady fitoniana soa.
Kanefa nofy no naterak'ilay hasasarana.
Nofy... nofy ankamantatra,hiainga koa.

Hanidina ao anaty fahanginana ao.
Ilay nofiko teraka hanaraka ainga.
Ho eny an'habakabaka hivetso ho anao.
Nofy hiofo ho kalo vaovao.

Hanidina hanaraka ainga koa ity peniko.
Hanoratra vetso ho nofy ho anao.
Nofy ho teraka hanambara izay teniko.
Avy ao anaty fahanginana vao...

Eny! Hisidina ity aingako avy ao anaty nofy lalina.
Hanaraka fanahy,
Eny an'habakabaky ny alina.
Ho nofy tonga nofo ho vetso vaovao.


Joseclaudio_3 desambra 2014

Mombamomba

Mpanoratra : joseclaudio


Nampiditra : joseclaudio
Daty : 07/09/2015
Mpamangy : 508
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

REHEFA
Mpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
NY MIAINA
SAONA
MISTERY
METEZA

Hametraka hevitra

Midira aloha