You are here: home > Vetso

METEZA - joseclaudio

METEZA

Meteza ianao ho Reny,
Mpiahy ireo kamboty
Tsy mba manana mpijery.

Meteza ianao ho Ray,
Mpiaro ireo zaza
Vesa-tsindry hazolena.

Metezaainao hahery,
Hiady foana foana
Ho an'ireo maty noana.

Meteza ianao hijoro,
Hiaro ireo mijaly
Iharan'herisetra.

Koa meteza ianao...
Meteza hatrany hatrany
Hanohitra ny tsy rariny manjaka eto an-tany!

Joseclaudio_25 martsa 2015

Hametraka hevitra

Midira aloha