TSY HAIKO ALOHA IZAY HEVINY (joseclaudio)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAIKO ALOHA IZAY HEVINY

Tiany hono izaho!
Dia hotiaviny amin'ny inona?

Gaga mantsy izaho fa,
Isak'izahay izay mifanena
Dia tsy mitsahatra izy milaza
Fa tiany hono izaho...
Tsy haiko aloha izay antony?
Nefa re ny fony efa tsy misaina,
Afa-tsy olo-tokana ihany.
Ny fiainany aza efa manakatra irony faran'ny ambony.
Ny fanahiny moa efa tsy misaina ny ety an-tany intsony.

Tiany hono izaho!
Dia tsy haiko hoe ahoana?
Izay tena hevitra ao an-tsainy.
Satria mantsy ny fiainany efa vita voady tamin-Janahary.
Ka tsy haiko izay tena heviny,
Fa izaho aloha tsy mahatakatra.
Isan'andro tsy misy lera...
Tiany hono izaho
Dia tsy iza izany fa masera...

*** *** ***

Nangovitra ny tavako raha iny izahay nifanena.
Natopiko ny masoko teny an-tavany ,
Nibanjina ity izaho mahonena.
Teny am-pahendrena fa tsy anavona
No nanontaniako azy hoe:
Ahoana izay masera?

«Tiany hono izaho...»
Fa ny ambadik'io mbola baraingo.
Tsy mety takatro mihintsy.
Na izy koa aza mba niahotra
Ny nilaza izany tamiko,
Fa tiany fotsiny hono izaho...

Fa hay ilay teny hoe « Tiako ianao»
Hay tsy fitiavan'olon-droa.
Fa ny tena tiany holazaina ,
Dia tapaka ny teniny isaky izahay mifanena.
Satria miahotra hono izy
Fa ndrao ho tezitra aho.

Izaho moa tsy naharitra
Ka niezaka namantatra.
Hay ! Tiany hono izaho
Hitodika amin'Andriamanitra.
Fa mandalo ity tany
Ka ndrao hijaly ity fanahiko.


Joseclaudio_Martsa 2015.
--------
Rohy:
1081 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joseclaudio
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 19/08/2015 09:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137