You are here: home > Vetso

SAFOSAFO - Josefa Ràjaonah

Izao no alim-pitahiana
izay mandrakotra ny tany;
matokia, ry zandry tiana,
fa ny foko eto ihany,

Safosafo, matoria
izany silaky ny aina;
safosafo matokia
fa ny foko sy ny saina,
solon'ondana vilaory,
hiondanan-jandry tiana,
ampy hanala ny mahory,
hifarana, hitokiana.

Safosafo, matoria
izany zandriko malala;
safosafo matokia
zovy moa ny mahalala
fa ny rakitry ny foko
mifamatotra amin'aina
tsy mahay miova loko
velona ao hotantaraina.

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Josefa Ràjaonah

Nampiditra : nalsonrazakariasa2015
Daty : 07/12/2017
Mpamangy : 84
Mankafy : 0
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha