RANOMASOM-PIFALINA (julien rakotonirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy oe mitomany akory aho dia malahelo
Fa ny fitia avy ao am-po no mamerovero
Ranomasom-pifalina sendra tsy tana
Feno lotra ny fitiavako anao ry malala

Tsy oe mitomany akory aho fa mahatra
Fa ilay fitia no tsy omby tratra
Mahatonga ahy maneho izany
Satria ianao ilay tokako eto atany

Tsy oe mitomany akory aho fa mijaly
Mitomany aho satria ny foko falifaly
Toy zany no anehoko ny fitiavako
Mba tiko ho tsapanao re rahavako

Tiko ianao matoa aho mitomany
Tsisy afa tsy ianao no anjarako eto atany
Ranomasom-pifalina iny ry malala
Tena vokatriny fo sanatria tsy misary adala
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1012 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : julien rakotonirina
Nampiditra : julienrakotonirina5
Daty : 20/12/2017 20:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107