You are here: home > Vetso

IZAHO SY NY KABARY - Justin TAHIRISOA

IZAHO SY NY KABARY


Izaho sy ny kabary,
Fiombonan-drano, vary
Na an-tsaha na an-tanàna
Miray dia fa mpiakama


Vato ny firaisanay
Velona mandrakizay
Tsy mahay mifankafoy
Tanana miara-mamoy


Miara-gasigasy hatrany
Iray tsiky sy tomany
Iray donadonak’afo
Mifameno mba hanako


© Justin TAHIRISOA,
JANOARY 2018

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha