You are here: home > Vetso

NA - Justin TAHIRISOA

NA…


Na dia be ny mpankahala
Ny olana tsy mety miala
Na misompatra ny maro
Tsy ho lavo aho, manam-piaro!


Na hivadika ny tany
Ka hangidy koa ny mamy
Na ho very zava-tsoa
Hitraka aho fa eo i Jesoa


Ka na inona hidona
Tsy halazo ‘lay finoana
Na dia hotoraham-bato
Mbola hivavaka tsy miato


Justin TAHIRIsoa
Alahady 24 Sept. 2017

Sokajy : fiainana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha