You are here: home > Vetso

VELOMA RY DITRA - Justin TAHIRISOA - Justin TAHIRISOA

VELOMA RY DITRA

Ry ditra malala tsy foiko fahiny ,
Tapitra hatreo ny niaraha-natao
Hilaozako ianao re ka aoka tsy ho tsiny
Ny ora voafetra tsy maintsy mandao.

Veloma hatreo ry mpiara-nania
Eto ny tsotsorimamba isarahana
Ianao hiankavanana, izaho hiankavia
Tapitra hatreo ilay lala-niarahana.

Aza tazomina re aho fa maika,
Misampana eto ilay lalantsika
Lavi-podiana aho tsy afaka hiraika
Sao tratra-alina ka hangatsiaka.

Aza mifanarakaraka intsony
Aoka isika, samy haka ho azy
Ny lalanao re no aoka hizory
Miangavy re aza mampaka lagy.

Justin TAHIRISOA
19/03/2015

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Justin TAHIRISOA


Nampiditra : JustinTAHIRISOA
Daty : 25/11/2017
Mpamangy : 266
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

AZA NAMAKO
NA
BASY
29 MARS 1947
S’IL TE PLAIT, SEIGNEUR

Hametraka hevitra

Midira aloha