You are here: home > Vetso

NY FOKO - Kally (Ikala)

Ny foko,toa matory
Irina tsy hifoha intsony
Mba tsy hikomy

   Nofefena tao amin'ny tery
   Ka nitroatra tamin-kery
   Naratra ka nitera-pery

Nofofohana tamin'ny vato
Nodorana tamin'ny afo
Rotidrotika malazo
Norarana tsy hivazo

Kanefa ny foko mbola mitempo
Na dia ao anaty sentosento
Niaritra fijaliana nampahia
Satria ny foko tena tia

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha