You are here: home > Vetso

Any ampoko any.. - kanto sarobidy

Vahatr'ifaharany ny sentonao ry aiko..
ny toerana ato ampoko..
Sehatra andalovany,miraikitra ato an-tsaiko
ny alahelo maro loko..

Toerana sy ankany tsy mandao anao n'oviana
ny fitiavana ato am-poko..
Fa haron'ny fonao tsy ho azom-pahakiviana
na ireo setran'ny toloko..

Fo mitia anao,tsy hanam-pahataperana
ny any am-poko any..
Fa rako-teny mamy sy angolam-pandeferana
mandrapialako eto an-tany..

Hametraka hevitra

Midira aloha