You are here: home > Vetso

Didin'ny foko - kanto sarobidy

Tsy ho neniko ny vita,iriko mbola hitohy
Ny didy sy ny iraka zay nampanaovina ahy
Ary koa ekeko foana  hiandraikitra sy hanohy
Raha mbola izy hatrany no manampy sy mitahy

Tsy ho tsiniko ny hitia,sy hanaraka ny fony
F'izay no adidy tokana hany ampanaovina ahy
Didi nefa sitrako ny tsy hiala aminy intsony
Fa lasany ny foko ,babo tsy amin'ny ahiahy

Koa....

Aleo ny foko hikiry,hanjohy an'azy hatrany
n'ovina ka n'ovina raha tany koa ny tany
Aleo iharitra eny, tsy hahalala akory vizana
fa miandry foana hatrany fa misy fikirizana...

Hametraka hevitra

Midira aloha