You are here: home > Vetso

Fitia - kanto sarobidy

malala ah,

Tsy misy olombelona tsy misy fihentanana
Tsy misy izany fiainana tsy misy fiovana
Tsy misy fo mitambatra isaraka anarana
Fa misy ny fitiavana na gejaim-pahotana...

Misy fisentona raha mbola fo mitem-po
Misy ny alahelo fa ao koa ny fitiavana
Misy tsindrin'alo fa serana amin'ny sento
Fa tsisy fo maditra ka tsy ho lavom-piniavana

Tsy misy fo mitia, ka hanilika ny tiana
Fa misy fo manda rehefa ankaterena
Tsy misy fy tsiahivina raha sendra fiafina
Fa misy fo mitem-po, tsara raha jerena....

ankaikinao fa tsy aiza
no misy ilay sakaiza...
      

Hametraka hevitra

Midira aloha