You are here: home > Vetso

fitia sy ny taona.. - kanto sarobidy

Nitsirim-pitiavana iray voarara..
Lazaina tsy mendrika fa maramara..
Nosomparan'ny saina tsy nihevitra akory
hoe ny FO tena tia raha voafefy dia ory

Ambara tsy miendrika fa voadidy
Sakanana mafy mba tsy hanan-tsafidy
Satria eh, FO tapany ekena fa kely
Kanefa matsiro tsy ilaozan-tantely..

Moa ve ny taona mandrefy fitiavana
No lasa ahiahy ka manetry fandavana
Sa ve ny taona no enti-mandrefy?
ty fo sy ny saina izay tia tsy ho voafefy..

kanefa...

Tsarovy fa efa nomeko ireo valiny
tam-po, am-pitia tsy ilaina takalony
Avereno ny saina sy fo fa fotoana..
Fa tsy misy fitia ka voafetran'ny taona..

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha