You are here: home > Vetso

Henjim-pitia - kanto sarobidy

Ny kely mba nananana,sy tsara ka tahiry
Dia maro mpankahala,tsy ilaozan-dromoromo
Fa maro ireo mpanenjika mifikitra mikira
Ny handrava izay najoro,mitetika ny hamono

Tsy ahoanay nefa izany,tsy mba hampaninona
Fa tsy hainy ireo akory izany FO miara-droa
Maika hanatevina ny anatin'ny finoana
Ka n'iza re hisompatra dia  reraka tsy ho tò

Tsy tsapan'izy ireo izay fitia anatinay
Fa tokana ny azy ,tsy hisy raha tsy hanenjika
Fa monja ny voady dia ny hoe mandrakizay
Ka vizana sy tofok'eo ireo izay mikasa handrendrika

Sarotra ravaina,tsy ho tratran'iza izany
Fa lalim-paka anie ny fitiavanay am-po
Fo mitempo iray ,no miaraka hatrany
Manjaka anatinay ny ha-MAMI-ana miaro ZO...

Hametraka hevitra

Midira aloha