You are here: home > Vetso

i..Neny - kanto sarobidy


Nitondra ny mangidy naharitra amam-bolana
Nibaby ireo tsy laitra,nizaka koa ny olana
Nientrina ny tava, nibedy raha niteny
Fa tena kely ireny miotran'ny fitiavan-dReny...

Nitaiza nanabe,nanome izay nilaina
Nikaroka ny soa izy,ka nanamafy saina
Mba entina hampandroso ity zanany mitsiry
dia mbola i Neny ihany no niharitra hirifiry

I neny tsy mba foy,tsy mba nikely ny ainy
Niezaka nananatra nanolotra fitia
Nanampy teny foana an'ito sombiniainy
Miaritra ny mafy mandrakizay doria

Izy raha niteny ,matetika tsy hainoana
Raha mibedy lava dia manjary mankaleo
Kanefa t@fony ireny no nisy finoana
Ny hatsara anao no tanjony,tsy hisian'izany hatreo.....

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha