You are here: home > Vetso

irery.... - kanto sarobidy

Ry voro-mandalo misidina irery
Mba aiza ny ankany izay hitoeranao
Moa ve ombana sy betsa-mpijery
Sa takona anaty tsy misy mpitraho

Moa maro mpitsidika,be mpivahiny
Sa lalondalovana fotsiny ihany
K'izay te andrombaka tsy omena tsiny
Fa tsy misy mpiery sy toeran-tomany

Moa tahakin'ny foko nilaozan-tsakaiza
Tsy mba nojerena na indray niverenana
Fa ny lasa tsy hiverin-kijoro sy hitaiza
Fa efa natokana iray hilevenana

Tsy atao ho tsaroina intsony ny lasa
Izay no mba hafatra iray hany voaraiko
Fa tanjona hafa himasona fikasa
Ny lalany hafa ny tiany ho hajaiko

Ny anao nefa ankany maro hanorenana
ny ahy kosa fo tsy ho lefy ny taona
Ianao mety hifindra tsy laitra ho lembenana
Fa ny ahy dia mitoetra tsy ilaozan'ny saona...

Hametraka hevitra

Midira aloha