You are here: home > Vetso

Maloka... - kanto sarobidy

Ireo kinta-mamiratra kanto eny ambony
No any sisa mitsilo, ty lalan'ny foko
Manamby ny tsara sy ratsy tsy ho tony
Miventso mangina manala toloko

Ny taratrin'ny alina tsy hay hazavaina
No namana toka-tsakaizan'ny tiana
Ny firafin'ny foko mangataka ho hajaina
Amin'ireo ratra, izay nizakam-pijaliana

Ny rivotrin'ny alina, mba naman'ny sento
Dia tsara fitsoka fisioka milanto
Mandrindra ny hira kaloina ho vetso
Mandamina am-po, ireo ratsy ho kanto

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha