You are here: home > Vetso

Mbola ianao.. - kanto sarobidy

Tsy laviny fa nisy ny siokam-panadala..
Fa mbola ny anaranao no nekeny fa malala..
Tsy laviny fa nisy koa ririny mamanala
Fa na tsy teo ianao,mbola kaloiny hoe malala

Ekena,mba narary ny fo fa alavi-tiana
Fa mbola ianao hatrany no vetsoiny fanirina
Ekena fa irery izy nandritry ny alina marofy
Fa mbola ianao foana, no tiany antsoina anaty nofy

… … … …

Raha fintinina zay aminy,ireo zay ao am-pony
Dia ianao manotolo mihitsy no tiana ho koloiny
Raha ny faniriny sy ny tanjony hatrizay
Dia hitoetra anilanao ,hitia mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha