You are here: home > Vetso

namako ve? - kanto sarobidy

namako izy izay,tena namana hafa kely
tsy ampoizina amin'ny taonany ny zavatra lazainy
namako tsy foiko,tsy namela ahy ho irery
fa nampifaly foana  sy mahita ho tantaraina

namako izy iny,miavaka amin'ny maro
tsy  takatrao visaina ny zavatra ambarany
namana miavaka tsy tiana hafanqaro
fa zary mahaliana ahy hatrany ireo tantarany

eny, namako hoy aho izy,nefa tsy mampino
fa toa misarika ahy amin'ny tontolo faharoa
toa namana nambabo,nanampy ahy nanadino
ireo ratra izay namely ka nandrotika ny FO ...

Hevitra mandeha

kanto01 (26/10/2017 11:41:45)

namana fitiavana...

Hametraka hevitra

Midira aloha