You are here: home > Vetso

Nofinofy - kanto sarobidy

ireo visavisan-tsaina sy vetsovetsom-po
izay novolavolaina na dia mbola tsy ary koa
dia efa nataoko ho azy fony aho nilazalaza
fa tojoiko izany rehetra izany foiny fahazaza

ireny lokaloka nanambazako fahiny
dia mbola ato anatiko inoako koa ho tiany
ireny toky voadradra foiny teny ampampiarahana
ho atokako azy irery ho fitiavam-pahafahana

izany tositosy mila hita-javatra hafa
ireny tambitamby nitokina tsy ho voafafa
ireo hevitrin'ny saina hitambarana ho iray
dia nofinofim-po irina ho mandrakizay

raha toa ka tia ahy izy....

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha