You are here: home > Vetso

Noho io fitiavana io.. - kanto sarobidy

Hangina aho tsy hiteny,fa ampy ny omaly
Fa mafy ny onja entin'ito rivotrin'ny ankaso
Nitondra fahoriana izay nikiky nampijaly
Ka mampitondra geja mampirotsa-dranomaso

Hikipy aho tsy hisaina,ny zavatra mianjady
Fa mahery setra loatra ny setrin'ny fitiavana
Moa natao hampiferin'aina hatrany ve fa ady
dia atrehina eto anio sy ny ho avy ho finiavana..

Mampijaly ny ao ampo ny misain' izany
Saingy tsisy azo atao na manindrona marary
Satria zany ny fitiavana raha mbola eto an-tany
ka hefina sy andeferana hatrany na dia jaly...

Hametraka hevitra

Midira aloha