N'ovina ka n'ovinadia ts (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
N'ovina ka n'ovina
dia tsy hiantsoko tody ny nandaozanao ny foko
ho ataoko fitsikina...
fa lesona nandratra ny alahelo maro loko
(.......)

tsy misy na iray
ka afaka hitsara sy hamantatra mahitsy ny tena ato anatiko
indrindra ireo tsy tantiko
fa loza nialangalana nanenika tsy fidiny
anefa moa safidiny...

inoako marimarina tsy tena izay no didiny
Fa ny lahatra sy Anjara
No entiny hamaritana ny zotrin' ny tantara niarahana niainana
izay ngamba tsy lavina
Fa matoa nisy nitia ,dia tsy lavitra amin'izay ny hoe ianao koa mba notiavina

(.....) fa ny ankehitriny kosa
Niova dika ny voady
lasa vavahady tsy natokana irery hoan'olom-panirina
nahaizana nametraka ny toky sy ny dina..

Eny ,izany rehetra izany tsy sanatria hoe entiko handravonana ny lasa
....fa ny hany zava-pantatro,
"Matoa ianao tsy anjarako dia anjaran'olo-kafa...."
--------
Rohy:
970 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 27/07/2018 19:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148