Ny alina.. (kanto sarobidy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alim-pandrotsy no sisa mba namana
Miara mitoetra ,mampahery hampitraka
Io no mba hany navela ho fananana
Handrendrika mora ity FO izay maratra

Misy alina mangina tsy ilaozan'ny sento
Nefa mijoro tsy kivy amin'ny fiainana
Fa Alina mangina fanao vetsovetso
Tsy resy na lavo na dia mitaraina

Fa irery izy omaly,dia sahala androany
Saingy izy tsy hanary ny fo na oviana
Na faly sy sambatra ,FO mitomany
Na mandra-pialany hamonjy fodiana

Moa alina sambatra sa alim-pijaly
No alina tiany sy tsy mba mahasaraka
Fa ohatrany hobiana izy fa mampifaly
Akoraina indray rehefa sendra tafaraka...

Mety alim-pifaliana?
Nefa alim-pijaliana...
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - Alahelo
1409 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 15/11/2017 17:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138