You are here: home > Vetso

Ny fitiavana... - kanto sarobidy

Ny fitiavana,tsy ambara manoloana
Asetrin- drivo-dratsy,ihany koa ny tsara
Noferana, fefena ny volana aman-taona
Voasoritra mialoha izay nekena fa ho ANJARA

Ny fitiavana,kanto anivonivon 'alina
Tokana aman-tany,fananan-tsarobidy
Misari-tsy hay fefena ,kanefa mahafanina
Sy tsy hananan-jo, mban'ireo SAFIDY

Ny fitiavana, milanto fiantefa ao anatin'ny FO
Nekena ao am-po manambara tsy hitsahatra
Tantanan'ny tia ny fitia miara-droa
Kanefa voasakan'ny TENDRY sy LAHATRA

indray androany, mbola hisy fotoana...
handrava ireo sakam-pitia amin'ny taona...

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha