You are here: home > Vetso

raha mba fantany.. - kanto sarobidy



Tsy afeniko ny marina, fa mbola tia ny foko
Ny neniko ho tafarina ,ampisinda ny toloko
Tiako raha fantarina ny tena ao am-pony
Ekeko sy toavina raha tia na tsia intsony

Malala niangaliko izy fony teo an-tratrako
fitiavam-pifaliko nanala irony ratrako
Kalo am-pitsikina ,tsy foiko na nandao
Tiaviko mangina,tsy ataoko ho fantatrao

Avelako fa tiako, izay no tena tia..
na tsy faniriako aza ny hoe hilaozan-ndry..

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : kanto sarobidy


Nampiditra : kanto01
Daty : 15/05/2018
Mpamangy : 362
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Mivavaka ho azy..
i..Neny
Anatr'i dada
Nofinofy
Fitia
Tsiaro
Henjim-pitia
Ny fitiavana...
Maloka...
Ny alina..

Hametraka hevitra

Midira aloha