You are here: home > Vetso

rehefa maty aho.. - kanto sarobidy

Raha hoavy ny andro,ialako ity tany
K'ilevin-tsy hifoha hoan'ny mandrakizay
Dia ireo kalo vetsoiko manako any ho any
Hampangina ny maso tomany hatrizay

Asio voninkazo eo andohan'ny fasako
Ho marika iray mba tsy hanadinoina
F'ireo dina natao dia hitoetra tsy ho lasako
Ka tsaroina eny foana sy kolokoloina

Raha hisy andro iray hatsiarovanao ahy
Dia aza mitomany na koa mitoloko
Fa raiso ireo kalo novetsoiko am-panahy
handrotsy ny fonao hiampita amin'ny foko

Mety hisy ampanembona ireo kalokalo
Tsarotsaroina ireo feoko milanto
Nampierika indray ka nampiaiky mpandalo
Ny tonon'ireo tononkaloko kanto

Izao no tsarovy ary aza misy adinoina
Tsy lavitra aho ,tsy ho aiza tsy akory
Ka bitsio ao am-po re raha tinao antsoina
'''Fa tsy maty aho akory fa mbola matory...'''

Sokajy : ahy, Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha