Vavaka.. (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natrakako ny lohako,nibanjina ny lanitra..
Mahita ny hatsaran'ny volana sy kintana..
Mantany foana hoe:ao ve ilay Andriamanitra
mijery ny alaheloko rehetra sy ny vintana...

fa maloka ny androko..
ka malemy koa ny sandriko..


Nakipiko ny masoko,nivavaka aho mangina..
Fa mafy ny alahelo,ny sento sy ny setriny..
Ka hanafaka ireo olana mianjady an'olotiana..
satria mahery tsy hay tohaina ny setrasetra entiny

ka hiangaviko anio..
mba tohana sy ampio..


Hamarana aho ny teniko sy ny faniriko
Raha toa ka sitrakao sy tsinjonao ry ray
Dia tahio sy harovy ny fo tia ,fa mbola tiako ..
ny hitambaran'ny fonay ho iray mandrakizay

Fa mamiko ny fony..
ka tsy mila aho hafa intsony...
--------
Rohy:
832 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 08/09/2017 19:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142