Ahiahy (Kanty)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dera sy laza no atolotray
Anao ry Mpamonjinay
Fa ianao lehibe sy Mahery
Nihazona anay tsy ho very

Fitiavana avy aminao ihany
No ifankatiavanay, mamy...
Izahay roa kely mitomany
Fahalemena ihany izany

Nefa Tompo aza ariana
Aza arianao na oviana
Na oviana n’aiza n’aiza
Na’aiza n’aiza misy anay

Tena tiako ange iz' izay
Fantatrao izany miharihary
Tiako ho sambatra izy izay
Ka tahio tsy hivari-lavo.
--------
Rohy:
1781 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kanty
Nampiditra : kanty
Daty : 05/11/2003 11:30
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01