Tsikotsiko (Karako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikotisko kely,
Ritsodritsok’etsy
Dia rava ny fihavanana;
Miady ny mpinamana!

Fosafosa lava,
Tia mangarom-bava:
Fanaon’ny malemy
Tsy mahatana teny.

Vilambila-maso
Faly manatsatso:
Milaza fialonana,
Mandrava fiombonana!

Tsingoloka kilema,
Mikimpy ny an’ny tena.
Manaratsy ny hafa,
Tia resaka sy tafa.

Ny teny toy ny atody
Mangina fanafody
Mandinika elaela,
Mamadibadi-dela.

Manakombom-bava:
Fihavanana tsy rava!
Mangina volamena
No fanajàna tena!

Karako
2016-01-29
--------
Rohy:
1521 1
Mpakafy: voatsinampy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Karako
Nampiditra : karako
Daty : 22/11/2016 17:10
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162