You are here: home > Vetso

Tsy irery ianao - Karako

Tsy irery ianao fa samy eto isika ;
Miaraka miaritra ny fana sy ny hatsiaka.
Miaraka misedra ny onjan’ny fiainana ;
Izaho no silakao sy sofina itarainana !

Raha tohina ny aty marary my afero !
Izay vainao rehetra ao tonga dia potsero ;
F’iarahana mizaka, iarahana tsaboina.
Izay tambavinao dia iarahana sotroina.

Tsy irery ianao fa izaho eto koa
Miaraka mitanty ny afy sy ny soa.
Raha faly ianao, izaho koa ravoravo
Ny tanjontsika roa hiara-hisondrotr’avo.

Aza adino retsy ireny fifaliana…
Tsarovy ihany koa fa be ny fitahiana
Niainana hatrizay, avy amin’ilay Tsitoha ;
Ka mitsikia izao dia atrakao ny loha !

Karako
2017-12-20

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Karako


Nampiditra : karako
Daty : 25/07/2018
Mpamangy : 528
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ry zanako
Lavitra...
Tsikotsiko
Laolao teny
Rehefa aty Andafy

Hametraka hevitra

Midira aloha