Ry zoky vavy (Kintana 2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zoky vavy izay tsy mba nananako
Nahoana no ampamoizinao ny foko
Tadiavinao alaina ilay hany fananako
Ka ny androko sisa ho fenoinao toloko

Nahoana ianao no tia tena
Ny herena anefa eo aminao
Vady zanaka,ray sy reny ary zandry
Moa izy ireo tsy ampy anao

Mitondra anao ho aiza ny haratsian-toetra
Fakafakao re 'ty nataonao
Adinonao fa ny fiainana misy fetra
Ary hisy tody avokoa ireo natao

Hitaro ny saina zany zokiko izany
Aza mijery ambany orona ihany
Tsy mitondrta anao aiza ny tsy fitiavanao ahy
Meteza @ toerana maha zoky vavy

Zoky vavy nantenaiko
Maratranao ny foko ankehitrio
Ny nataonao ve no tokony ankahalaiko
Sa ianao mihitsy manomboka anio?

Zoky vavy toy ny tsy nisy ianao hatrizay
Avelao aho ataovy ampy izay
mamaela anao aho ,nefa tsarovy kosa
f'izay ataonao dia tsy hisy ho tontosa
raha tsy manokatra ny fonao aloha ianao
mibebaka @ ireo alahelo nafafinao

tsy ankahala anao aho
fa hivavaka hatrany aza
mba hitsaharan'izao
ary koa angamba
hamela anao

raha ny fiainantsika dia mbola baraingo
asa,raha hitohy ka aleo aloha atao hoe faingo
mirary anao aho ny ahatsapanao ireny rht ireny
ka any aoriana isika tena hifampiteny
tsy misy iatsaram-belatsihy
fa hifamela sy hifankatia
--------
Rohy:
1164 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kintana 2
Nampiditra : kintana
Daty : 26/12/2003 13:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127