. (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko ahoana angaha ny fomba itantaràko
ilay FITIA kely , nitsiry tatoato
fa manaraby ny heriko, misangy koa ny foko
nanova ny fijeriko sy toa mijokojoko

Mitady hidongy toerana , haka an-keriny tokoa
hanao bodin-gerona ,hitrebona sy hamoa
FITIA tsy nasaina , manao loham-boto
tsy haiko hazavaina fa misafotofoto

Ianao lay tsy fantatro ,tandidona nivela
nandrombaka ny foko , dia naka tsy niera
raha toa ka azo atao , miesora sy mialà
TIKO ANGAMBA IANAO , kanefa tsy ho ahy.


KIRIAH
--------
Rohy:
2550 3
Hevitra mandeha
tiarah ( 01/10/2010 09:47)
Mba fantany ve hoe sambatra izy zay
Misy mitia , mahatsiaro , sy miahy
Mba fantany ve fa any ho any
Misy fitiavana ho azy mba roa aman tany
Sambatra izy !
kiriah ( 01/10/2010 10:29)
eh !!!! raha mba fantany mantsy !.saingy sambatra kokoa ny mitia noho ny tiavina
katiaa ( 03/10/2010 08:06)
Raha feno loatra zato fo,
Ka mahatsiaro tia tokoa,
Tazony ho anao mangina ihany,
Aza avela ho re tany,
Aza apotra ami' ilay tiana,
Hafeno mafy modia variana,
Raha fitia tsy ho tanteraka
Hanimba anao, handavo handreraka
Ka hahatonga fijaliana
Hikiky anaty anao mangina
Kanefa izany rehetra izany
Ho lefy ihany hihalany
Ka mba tsy ho nenina hahavoa
Mba tsy ho tara saino aloha

Dia ... hafeno, hidio ho anao
'Ty fitia koboninao

:-)
Laaris ( 07/07/2012 16:47)
inoko fa efa itany ny tononkalonao
Rh serasera!efa ao izy @zao
Efa tsapany angamba ilay fitiavnao nitsiry
sady tsapany ihany koa ity fonao raha nikiry
tsy natory,very fotoana,sns......
ny fonao ian hono no ataony paradisa.
ka mbola ho avy ny andro,mbola hisy ny fotoana
Ny fonao afa-jaly.nareo roa tafahoana.
Tsiroa ( 15/07/2012 11:20)
Tsara be, raha itako izy dia tonga de lazaiko hoe: ndeha mody fa miandry rana-baviko
kiriah ( 13/08/2012 08:40)
Tsiroa: tena marina zany , lazao izy rangà
Laaris :misaotra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111