JININ'NY POETA (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.JININ'NY POETA

Aza lany andro misaina izay Antony
Sy mety ambangovangon'
Ny fiainany sy tanjony...
Aza be fitsara amin-kevi-tandrametaka
... Mamoromporon-dresaka
Manombana ny "Tsisy" terena ho "Zava-misy"

Fa...
Imamoy fotsiny
Ny zavatra soratany
Mivoaka avy ao antratrany
Mahahenika ny vatany

Dia...
Meteza ianao hoentiny
Mitety ireo fotoana
Nisian'ilay tantara sy zavatra ambara

Fa...
EO INDRINDRA MIHITSY
Lay JININ'NY MPANORATRA
No henonao mirongatra
Mandrombaka fanahy
Ahatonga anao ho IRAY amin'satam-betsovetsony
Ka iny ianao vongesiny*
Hitetitety kintana: "lay TELO no REFY(ny)"

Aza lany andro mandinika ny fiainany sy zavatra iainany
Aza lany andro maneso ny hamamoan'ny tsanganan'ambiroany
Mianoha fotsiny ihany
F'ianao raha tsy POETA:

TSY HAHAVALY IZANY

KIRIAH
--------
Rohy:
1439 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 20/08/2013 14:17)
... "POETA" mampiandrandra
ny fanahy tsy lavorary
sy mampivandravandra
ny mason'ny marary
hibanjina, hifantoka
ny eo amboniny eo
fa toa mahita tampoka
"zavatra" sy "feo":

ny lotom-balindrihana
feno lavadavaka
hitany hitsirihana
"tanana soa miravaka"!
ny tranon-kala mihantona
ery an-jorontrano
"malalany manatona,
hampisotro rano"!

voalavo mikaretsaka
ambany farafara
lazainy mampiretsika
fa "mozika tsara"!
ny rindri-misolitika
roran'ny paraky
"sakaizany mitsidika,
miantso hoe : malaky"!
...
POETA OH! TSY METY TAKATRO
NY MARIVO INDRINDRA-NAO?
Kiriah ( 28/08/2013 16:08)
Elaelaela zany Hasiniony a! .misaotra e!
hasiniony ( 20/09/2013 07:38)
eto ihany ka; saingy mbola lazoin'ny aretina;
tokoa:
iny "zavatra iny"? toy ny rano an-kapoaka:
-ny feno am-boalohany, mitobaka avokoa
mihena, miha-ritra, mety ilazoana mitsoaka
-ny kely am-piandohana, mihafeno kosa
mitombo eny ihany ka farany - miavosa.
Tsy haiko hoe iza amin'ireo no aretina mikikiko?

Tsy misy fisaorana!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015