'LAY LAMBANY (KIRIAH )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... Nosasàny rano
nalonany an-tsavony
ny loto sy ny fotaka
navelan ' ny omaly
sy irony lasa irony.
Ny ainy manontolo
indray natontony ao
hanala izay fako
sy sarisarin-doto
tavela avy aminao.
Nakobany in-dimy
fa tsy afa-po ny sainy
ka reraka ny ainy.
Dia iny nisalovana
fa maika handeha hanely
"lay lambam-pahatsiarovana
navelatr 'eny ho eny
hanenjika masoandro
ndrao hariva ny andro


kinanjo nony alina
rehefa injay navalona
ilay lamba nosasàny
akory ny hagagàny.
'lay loto mbola tsy afaka
no koa nisy tataka
ka feno ny hakiviany
namonjy ny fandriany.


Rahampitso hoy ny sentony
tanaty vetsovetsony
haveriko sasàna
ka asa raha hadio
fa vita aloha ny anio.


KIRIAH
--------
Rohy:
1301 0
Hevitra mandeha
zkzandrykely ( 26/01/2013 19:05)
Kanto dia kanto ny fanjohinao azy!
Mba te hanontany hoe fa maninona no in-dimy? fa tsy im-pito na in-telo?
Dia tohizo fa tsara!
kiriah ( 27/01/2013 14:10)
Misaotra e!
nahoana marina ary no in-5 fa tsy im-7 na in-3 ?
De tsy haiko ry namana fa io no tonga tao an-tsaina angamba! , de lasa io , fa azon ny mpamaky ovaina nge , arakaraky ny itiavany anakobanana azy , hihihih!
Mitantsotia ( 04/04/2013 09:05)
lafatra, kanto loatra le aingam-panahy
kiriah ( 22/04/2013 16:30)
misaotra ry Mitantsotia a!
raozigasy ( 22/04/2013 20:06)
Nataony tao anaty masinina
Ilay lamba fahiny nofihinina
Nasiany lessive ho manitra
Hamono ilay tsiaro salanitra

Ny degree nataony quarante
Hamafa ireo fahiny tsy tanty
Dia navelany hiodina ela
Handevona ireo lasa tavela

Rehefa dila ny ora ankiroa
Ka tapi-piodinana koa
Ilay fitaovana vita vazaha
Dia iny izy fa tonga nizaha

Kanjo ny fanantenany ka diso
Fa tsy afaka ilay fofona “siso”
Sisa tahirin’ny lasa
Nijanona fa tsy voasasa

Dia nody maina ny fony
Kivy ilay hoe fanindroany
Mbola hiverina handany andro
Rahampitso vao mifoha ny masoandro
kiriah ( 22/04/2013 21:01)
ity andininy ray ty kosa manapa-tsinay be an !:

... Kanjo ny fanantenany ka diso
Fa tsy afaka ilay fofona “siso”
Sisa tahirin’ny lasa
Nijanona fa tsy voasasa .... ,

mdr be !
raozigasy ( 22/04/2013 21:23)
hihihihi izay no fiaingany tao ry namana koa tsy hitako izay nolazaina e hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KIRIAH
Nampiditra : kiriah
Daty : 23/01/2013 21:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171