Andao entiko ianao (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao entiko ianao izao alina izao
Hisidina kely hamaky habakabaka,
Hoentiko hitsidika tany vaovao
Feno hasambarana tena miavaka.

Andao entiko ianao, andeha vetivety
Hitsidika an'iny tontolo eny ambony
Ka hioty 'reo kintana mirentirenty
'Zay mameno lanitra tahaky ny vony.

Andao entiko ianao hitety ny rahona
Dia hamangivangy ny akanin'ny nofy,
Mba hanadinoana ny tsiron'ny vahona
'Zay mazàna mitranga miteraka rofy.

Andao entiko ianao fa aza manahy,
Mba hisiditsidina tahaky ny anjely,
Hitety ny sahan'ny aingam-panahy
Hanadino sento sy hisambatra kely.

Andao entiko ianao fa aza malaina
Hikopak'elatra handao ity tany
Koa avelao eto avokoa ny adin-tsaina
Fa hisidina isika andeha lavitra any.

Laharthe
--------
Rohy:
1021 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 17/06/2018 18:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115