Efa babonao (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Efa babonao

Avilko foana ny lalan-kombana
Tsy ho any aminao
Kanefa ny foko tsy mety voatana
Fa mahita atao

Atodiko indray 'zato lohako izato
Tsy hierika anao
Ny eritreritro anefa tsy mety miato
Fa any aminao

Akimpiko foana ny masom-pijery
Tsy hibanjina anao
Kanefa ny saiko efa mahay tsianjery
An'ilay endrikao.

Tampenako foana 'reo sofina roako
Tsy handre ny feonao
Kanefa ilay kalom-pitia ao am-poko
Dia mbola ny anao

Indro ny vavako koa fa noferako
Tsy hiantso anao
Kanefa dia mamy ankafizin'ny lelako
Ny anaranao!

Dia inona intsony no azoko atao
Raha te hanadino
Fa ny amiko rehetra dia efa babonao
Ka toa tsy hampino

Laharthe
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
1259 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : tolotrha
Daty : 29/10/2017 18:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136