You are here: home > Vetso

Lisy - Laharthe

Lisy

Soa ihany... soa fa nisy
'Reo segondra vitsivitsy
Nanopazanao ny maso
Tamin'ny foko vonto ankaso,
Na dia tsy naharitra ela
Ilay niriko ho tavela,
Dia efa hitako sahady...
Fa handresy aho na tsy miady.

Soa ihany... soa fa nisy
Ireny ankaso tsy nitsitsy
Ka izaho 'zay sendra atambo,
Tojo tsikinao mitsabo
Na dia tsiky iray niserana
Segondra vitsy fanaperana
Dia efa tsapako avy hatrany
Fa ho foana ity tomany.

Soa ihany... soa fa nisy
Iny andro Alakamisy
Nomenao mba hampiarahana
Ho odin-tsetoko mibahana
Ilay fotoana iray malaza
Na dia tsy tanteraka aza
Fa fotoana volamena
Tsy mahakivy manantena.

Soa ihany... soa fa nisy
Soa fa nisy anao ry Lisy
'Lay voninkazo tsara loko,
Mba nihantra ito foko
'Zay efa trotraka sy reraka
Ka nitady hivalaketraka
Nefa raha vao sendra anao
Dia nahazo hery vao

         Laharthe 02-04-17

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha