Sifotra sa sokatra? (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sifotra sa sokatra?

Moa va re sifotra sa kosa sokatra
No osa famindra tahakan'itony
Ny fanadinoako ny lasa nisompatra
'Zay mbola mitsiry sy mitady hamony?

Ny taona kanefa miroso eny foana,
Ny ora sy ny andro misosa misosa,
Kanefa ny lasa dia mbola tsaroana
Mantsy ny fanadinoako toa votsa.

Maisatra ery fa malaina ny handroso
Ô! tsy mety tamy kanefa nantsoiko,
Ny tsiahy no indro fa misosososo
Mamaly an'izany antsoantson'ny foko.

Angamba ny tsiaro no mbola tamàna
Ka te hibahan-toerana hanjaka irery?
Sa ny fanadinoana no mihanahàna
Ka mitady tosika fa tsy ampy hery?

'Ty foko marefo sy efa torovana?
Dia tsy afa-tsaona totofan'ny ankaso
Fa rafanadinoana tsy hita salovana
Tsy mety mipoitra sa be hena-maso?

Laharthe 30-10-2017

--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
713 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 24/02/2019 04:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159