Tiavo mangina (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Tiavo mangina

Aza ataonao mampahory
Raha 'zay olona tsy taitra,
Tsy mitempo fo akory
Nefa ianao manao izay raitra.

Aza atao mampitomany
Na androtsahan-dranomaso
'Zay variana ambadika any
Tsy mahita ny ambany maso.

Fa raha toa ka tianao izy
Dia tiavo mangingina
Toy ny tamin'ny fony ankizy.

Aza ambara azy akory
Fa tsy mendrika ny ho fantany,
Dia rotsio ny fo hatory.

Laharthe 19-04-17
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1391 1
Mpakafy: Ratin's
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 21/04/2017 15:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138