Tohatra fiakarana (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa re angamba,
Na izaho no jamba?
Ka tsy mba mahita
Ireo zavatra vita.
Sa kosa angaha
Tsy mahay mizaha,
Ka tsy nahatsikaritra
'Zay mahafinaritra?

Izaho mihitsy ve
No tsy mba mandre?
Ka tsy mba naheno
Izay efa naneno?
Kanefa ny sasany
Midera ny asany
Mahatsiaro faly
Fa hoe afa-jaly...

'Zaho ve no adala
Ka tsy mahalala
Dia bebetsikera,
Fa tsy mba midera?
Satria izy iretsy
Toa hitako fetsy
Fa tompon'ny laka
Raha toa hanambaka.

Moa ve ny madinika
No tsy mandinika?
Ka mora amidiny
Amin'izay ho safidiny?
Fa mody tambazany
Mba hampisy lazany,
Amin'izay iray kapoaka
'Zay indray mipoaka?

Kanefa iny avy eo
Dia hanjavona teo
Fa tsimaintsy hoferany
Raha azony ny toerany.
Ary ireo fanampiany
Dia mbola hotakiany
Ka mihoatra noho izao
No ho alainy aminao.

Ka mba asio fisainana
Ny zavatra iainana
F'aza mety miraiky
Ka mora manaiky
Hataony fiakarana
Hitady hasambarana
Avy eo nefa azerany
Rehefa azony ny toerany.

Laharthe 27-05-17
--------
Rohy:
1112 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 22/10/2017 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109