You are here: home > Vetso

ritsoka - lain's rakoto

Eritreritra nandalo
No manosika ahy hikalo
Kalokalo avy ato anaty
Nofinofy toa tsy tanty
Miritsodritsoka madinika

Aingam-panahy malefaka
Eritreritra tsy felaka
Kalokalo tena lafatra
Mitantara izay tsy fantatra
Miendrikendrika ankamantatra

Manakohako toa lamako
Ato anatiko ato
Ny firitsokin'ny teny
Hanambara teny mamy
Hampifaly ny malemy

Eritreritra niserana
Nanosika ahy hiventso
Vetso po tsy hay tohana
Aingam-panahy tsy hay lazaina
Angolam-panembonana

Antsoantsom-pahatsiarovana
Eritreritra mandalo
Nanosika  ahy hikalo
Ainga avy ato anaty
Vetsovetso iray tsy maty

Eritreritra niserana
No nitoetra tato anaty
Aingainga ny fanahy
No manosika ahy
Handray penina

Hananatra tsy ho nenina
Eritreritra nandalo
No lasa tononkalo
Eritreritra niserana
Namorona toerana

Eny an'abakabaka
Hoan'ny fanahy
Handritsoka ny ainga
Ainga tato anaty
Dia niritsoka tsy satry

Hametraka hevitra

Midira aloha