TENY FARANY (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafatra io ho anao
Mandehana dia lazao
Hafatra tsy atelina
Tsy odina be marenina
Efa dila izaho vo hanenina

Hitady ahy hipenipenina
Hafatra ho anao
Ny malagasy mba teneno
Aza avela alahelo

Apitako aminao teniko
Tsy ho adinoko
Tsy ho neniko
Ndrao ho tapitra ny aiko
Dia tsy voalaza izay lazaiko

Apetrako aminao hafatro
Efa niova mantsy tany
Be dia be ireo mijaly
Marary sy mosary
Vonjeo ireo marary

Aza avela hitomany
Ireo mahantra sy tsy manana
Tolory tanana
Ireo mpitondra ratsy loha
Fohazo mba hifoha

Izay no hafatro ra mala
Ataovy tonga tsara
Efa tapitra teniko
Izay tsy volazako tsy neniko
Atory aho sy ny peniko
--------
Rohy:
1356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 20/01/2017 10:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101