You are here: home > Vetso

TSY ATAKALOKO - lain's rakoto

Mbola misy
Teny gasy
Teny tsara tsy anglisy
Teny tokana teny mamy

Ilay teny malagasy
Teny tokana tsy miampy
Teny tsara tsy mba ratsy
Tana tsara hoa ny gasy

Na fiteny na fitafy
Tsy toy ny any an dafy
Mianjakanjaka fitafy
Malagasy tena lafatra

Nosy meva be mpahafantatra
Ny teny hafa mihitsy
Teny gasy tena gasy
Tsy mba misy mpanaratsy
Na mpamotika amin'ny basy

Gasikara tena tsara
Toerana mana tantara
Tandrazako tsy foiko
Ny fiteny tsy ho soloiko

      Lain's rakoto

Hametraka hevitra

Midira aloha