IANAO SY NY TOMANY (Lalypiso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Zaho tsy mety fay…
Nefa saringodringom-piainana ny miaraka aminao
Jalijalintsaina toa miolikolidresaka tsy fantatra avy hatrany

Dia midika teny iray….
…IANAO
sy ny…TOMANY

tena mahamay…
fa toa afo mijoalajoala, tsy voatondrak’alahelo ny fitiavako anao
mbola tsofitsofinao, kopakopahanao an-daingalainga sesilany

fa ankiniko amin’ny Ray…..
fa tsy sarintsarimpanafahana fa tena efa hevitra tapahana ny fialako aminao
fa tsy ho very maina akory ny kotsakotsan-dranomasoko mipatraka amin’ny tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1663 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138